Maquette tsy ampahibemaso. Tsy mivoaka fa mankany amin'ny Cabinet foncier TANY CHECK ihany.
TANYCHECKCABINET FONCIER

Torohevitra

Fanazavana tsotra hiarovana ny taninao, na any lavitra aza ianao.

Ny fomba fiasan'ny TANY CHECK amin'ny horonan-tsary

4 minitra hahafantarana ny fomba hanamarinanay ny tany iray (horonan-tsary amin'ny teny frantsay).

Titra, kara-tany, kadasitra, réquisition : aza afangaro

Raha misy manome taratasy anao ary milaza hoe « ara-dalàna ny tany ». Tsarovy fa tsy mitovy ny fiarovana omen'ny ireo taratasy tsirairay avy ireo.

  • Titra (titre foncier) : voasoratra ara-dalàna ny tany. Misy numero mazava, voatsatoka vato ary mazava tsara ny velarany. Io no taratasy azo antoka indrindra.
  • Kara-tany (certificat foncier) : omen'ny birao ifotony momba ny fananan-tany (guichet foncier) ao amin'ny kaominina, manamarina zo amin'ny tany saingy tsy misy vato mamaritra ny velaran-tany. Mety tsy ho eken'ny banky atao antoka.
  • Tany voakadasitra : nomena tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana nandritra ny kadasitra. Mbola tsy maintsy avadika ho titra.
  • Réquisition : fangatahana hanaovana titra mbola mandeha.

Torohevitray : Alohan'ny handoavanao vola, fantaro tsara hoe inona marina ilay taratasy, ary asaivo hamarinina any amin'ny sampan-draharaha mahefa.

Tsy porofon'ny fananana ny plan

Ny plan régulier dia taratasy ara-teknika ofisialy : refy, velarana, bornes, toerana marina. Sonian'ny géomètre-expert nahazo fankatoavana izy ary hamafisin'ny Topographie na ny Domaines.

Ilaina izy hahafantarana ny toerana misy ny tany sy hisorohana ny ady sisin-tany. Saingy tsy milaza izy hoe an'iza ny tany.

Raha tsy misy sonian'ny géomètre-expert na fankatoavan'ny fanjakana, dia tsy plan régulier izany.

Zava-dehibe : ny « tompon'ny tany » dia ilay olona voasoratra ny anarany ao amin'ny certificat de situation juridique an'ilay tany.

Misalasala momba ny tany iray ve ianao ?

Mila fitsirihina