Maquette tsy ampahibemaso. Tsy mivoaka fa mankany amin'ny Cabinet foncier TANY CHECK ihany.
TANYCHECKCABINET FONCIER

Ny fitsirihina momba ny tany

Inona no ho azonao?

Manao fitsirihina any amin'ny Fananan-tany (Domaines), Conservation foncière ary Topografia izahay. Ny tatitra dia milaza:

  • ny tompon-tany voasoratra ao amin'ny titra;
  • ny vesatra (charges) amin'ny titrao;
  • ny tsy fetezana sy ny olana mety hitranga;
  • ny tolo-kevitray ahatongavana amin'ny tanjonao.

Ireo dingana

  1. Fenoinao ny taratasy fanazavàna an-tserasera.
  2. Alefanay aminao ny devis.
  3. Soniavinao ny devis ary aloanao ny saran'ny asa. Manomboka ny asa rehefa voaray ny fandoavam-bola.
  4. Manao ny fitsirihina izahay eny an-toerana, ao amin'ny distrika misy ny tany.
  5. Alefanay aminao ny tatitra amin'ny PDF, ao anatin'ny 7 andro fiasàna.

Ary aorian'izay?

Araka ny tatitra, afaka manolotra devis fanampiana izahay.